Psalms 11:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, manenjana ny tsipìkany ny ratsy fanahy; efa mametraka ny zana-tsipìkany eo amin’ny kofehy izy mba hitifitra ny mahitsy fo ao amin’ny maizina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; nametaka tamin’ny tady ny zana-tsipìkany; mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin’ny maizina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Jereo ny olon-dratsy fa manenjana tsipîka sy manandrify zana-tsipîka amin’ny tady mba hitifitra ao amin’ny maizina ny mahitsy fo.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, manenjana ny tsipìkany ny ratsy fanahy; efa mametraka ny zana-tsipìkany eo amin’ny kofehy izy mba hitifitra ny mahitsy fo ao amin’ny maizina.
malagasy
Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.