Psalms 11:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO dia ao amin’ny tempoliny masina, ny sezafiandrianan’NY TOMPO dia any an-danitra; mijery ny masony; eny, mizaha toetra ny zanak’olombelona ny hodimasony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina, I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Ny TOMPO anefa dia ao amin’ny Tempoliny masina sady eo an-tsezafiandrianany any an-danitra. Arahiny maso ny olombelona ka indray mijery dia voatombany.
Malagasy Bible 1865
Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO dia ao amin’ny tempoliny masina, ny sezafiandrianan’NY TOMPO dia any an-danitra; mijery ny masony; eny, mizaha toetra ny zanak’olombelona ny hodimasony.
malagasy
Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.