Psalms 11:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Handatsaka afo sy solifara amin’ny ratsy fanahy Izy, tahaka ny fandatsaka ranonorana; rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy; rivo-mahery no ho anjara kapoakan’ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ho vainafo sy solifara no halatsany toa ranonorana eo an-dohan’ireo olon-dratsy! Dia tafio-drivotra mahamay no anjara homeny azy ireo.
Malagasy Bible 1865
Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Handatsaka afo sy solifara amin’ny ratsy fanahy Izy, tahaka ny fandatsaka ranonorana; rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
malagasy
Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]