Psalms 110:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Tompoko: Mipetraha eto ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Salamon’i Davida. I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Salamo nataon’i Davida. Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako. Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»
Malagasy Bible 1865
Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Tompoko: Mipetraha eto ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
malagasy
[Ny haherezan'ny Mpanjakan'i Ziona, Izay sady Mpanjaka no Mpisorona] Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.