Psalms 111:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandoham-pahendrena; fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena: malina tsara izay rehetra mankatò izany. Maharitra mandrakizay ny fiderana ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandoham-pahendrena; fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
malagasy
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]