Psalms 112:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Malala-tanana izy; eny, manome ho an’ny mahantra; maharitra mandrakizay ny fahamarinany; hisandratra amim-boninahitra ny fahamboniany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mamafy fiantrana Izy, manome ny mahantra, maharitra mandrakizay ny fahamarinany; misandratra amim-boninahitra ny tandrony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Malala-tanana izy manome ny mahantra; maharitra hatrany ny asa fiantràny, ka hitraka hombam- boninahitra izy.
Malagasy Bible 1865
Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Malala-tanana izy; eny, manome ho an’ny mahantra; maharitra mandrakizay ny fahamarinany; hisandratra amim-boninahitra ny fahamboniany.
malagasy
Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.