Psalms 123:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, toy ny fijerin’ny mpanompolahy ny tanan’ny tompolahiny, ary toy ny fijerin’ny mpanompovavy ny tanan’ny tompovaviny, no fijerintsika NY TOMPO Andriamanitsika, mandra-pamindrany fo amintsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny ibanjinan’ny mason’ny ankizy lahy ny tanan’ny tompo lahiny, sy ny mason’ny ankizy vavy ny tanan’ny tompo vaviny, no ibanjinan’ny masontsika an’i Iaveh Andriamanitsika, mandra-pamîndrany fony amintsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro toy ny fijerin’ny ankizilahy ny tanan’ny tompolahiny, ary toy ny fijerin’ny ankizivavy ny tanan’ny tompovaviny, no fijerinay ny TOMPO Andriamanitray mandra-piàntrany anay!
Malagasy Bible 1865
Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, toy ny fijerin’ny mpanompolahy ny tanan’ny tompolahiny, ary toy ny fijerin’ny mpanompovavy ny tanan’ny tompovaviny, no fijerintsika NY TOMPO Andriamanitsika, mandra-pamindrany fo amintsika.
malagasy
Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.