Psalms 125:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay matoky NY TOMPO dia tahaka ny tendrombohitra Ziona izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hira fiakarana. Izay matoky ny TOMPO: toy ny tendrombohitra Tsiôna, tsy mihontsona fa mitombina mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Fihirana fiakarana. Izay matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay matoky NY TOMPO dia tahaka ny tendrombohitra Ziona* izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay.
malagasy
[Ny fiarovana mahafinaritra hitan'izay matoky an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Izay matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]