Psalms 126:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fony NY TOMPO nampody an’i Ziona avy tamin’ny fahababoany dia tahaka izay nanonofy isika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fihirana fiakarana Fony i Iaveh nampody ny voababon’i Siôna, dia toa nofy izany ho antsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hira fiakarana. Fony nampody ny babo tamin’i Tsiôna ny TOMPO, dia ohatra ny nanonofinofy isika.
Malagasy Bible 1865
Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fony NY TOMPO nampody an’i Ziona* avy tamin’ny fahababoany dia tahaka izay nanonofy isika.
malagasy
[Fifalian'ny efa nampodin'i Jehovah, sy fifonana ho an'izay mbola babo] Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]