Psalms 131:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, tsy mirehareha ny foko ary tsy miandranandrana ny masoko; tsy misaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, na izay saro-pantarina tsy takatro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Iaveh ô, tsy mba nivontom-piavonavonana ny foko, tsy mba niandranàndrana ny fijeriko, tsy mba mikarokaroka zavatra ambony aho, na izay avo mihoatra noho izaho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hira fiakarana. Nataon’i Davida. TOMPO ô, tsy mirehareha ny foko, tsy miandranandrana ny masoko! Tsy mikendry zava-baventy aho na zavatra ambony tsy sahaza ahy.
Malagasy Bible 1865
Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, tsy mirehareha ny foko ary tsy miandranandrana ny masoko; tsy misaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, na izay saro-pantarina tsy takatro.
malagasy
[Fiononam-po sy fiankinana amin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]