Psalms 131:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tony sady mangina tsara ny fanahiko ato anatiko; tahaka ny zaza eo amin’ny reniny eny, tahaka ny zazakely eo amin’ny reniny ny fanahiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin’ny fiononana sy fanginana aho, toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny, toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Afa-po sy milamina aho toy ny zaza voky am-pofoan-dreniny; eny, toy izany zaza voky izany no fahatonian’ny foko ato amiko.
Malagasy Bible 1865
Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tony sady mangina tsara ny fanahiko ato anatiko; tahaka ny zaza eo amin’ny reniny eny, tahaka ny zazakely eo amin’ny reniny ny fanahiko.
malagasy
Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.Ry Isiraely ô, manantenà an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.