Psalms 133:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha, izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona, izay mitsororoka amin’ny morontongotr’akanjony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tahaka ny diloilo sarobidy aidina eo an-doha izany; ka mitsororoka amin’ny somotra, dia amin’ny somotr’i Aarôna, sy midina amin’ny sisin’akanjony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona, Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha, izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona, izay mitsororoka amin’ny morontongotr’akanjony.
malagasy
Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona, Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony; [Na: vozon'akanjony]Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.