Psalms 134:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andeha, misaora NY TOMPO, ianareo rehetra mpanompon’NY TOMPO, izay maharitra alina ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fihirana fiakarana. Aoka hisaotra an’i Iaveh àry ianareo rehetra mpanompon’i Iaveh, izay manao fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, mandritra ny alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hira fiakarana. Izao àry, misaora ny TOMPO ianareo rehetra mpanompony izay mialina ato an-tranony.
Malagasy Bible 1865
Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an'i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon'i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andeha, misaora NY TOMPO, ianareo rehetra mpanompon’NY TOMPO, izay maharitra alina ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
[Hira ho fisaorana an'i Jehovah amin'ny alina] Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an'i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon'i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon'i Jehovah.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][Na: misaora an'i Jehovah amin'ny alina]