Psalms 137:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo amoron’ny onin’i Babilona no nipetrahanay sady nitomanianay raha nahatsiaro an’i Ziona izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo amoron’ny onin’i Babilôna, dia nipetraka sy nitomany izahay, nahatsiaro an’i Siôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo amoron’ny onin’i Babilôna no nipetraka izahay ka nitomany mafy nahatsiaro an’i Tsiôna!
Malagasy Bible 1865
Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo amoron’ny onin’i Babilona no nipetrahanay sady nitomanianay raha nahatsiaro an’i Ziona* izahay.
malagasy
[Fahatsiarovana ny alahelon'ny babo tany Babylona] Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.