Psalms 139:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro TOMPO ô, tsy mbola eo amin’ny lelako akory ny teny dia efa fantatrao izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny teny tsy mbola mby eo an-delako aza, efa fantatrao manontolo sahady, ry Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mbola eo am-bavako akory ny teny holazaiko, dia indro efa fantatrao avokoa, TOMPO ô.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro TOMPO ô, tsy mbola eo amin’ny lelako akory ny teny dia efa fantatrao izy rehetra.
malagasy
Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.