Psalms 14:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eny an-danitra NY TOMPO no miondrika mijery ny zanak’olombelona mba hizahany raha misy olon-kendry mitady an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iaveh mitsinjo ny zanak’olombelona eny amin’ny lanitra ambony eny, mba hahita raha misy olon-kendry anankiray, olona iray mitady an’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eny an-danitra eny ny TOMPO no miondrika hijery ny olombelona, hizaha sao mba misy olon-kendry izay mitady Azy tokoa.
Malagasy Bible 1865
Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eny an-danitra NY TOMPO no miondrika mijery ny zanak’olombelona mba hizahany raha misy olon-kendry mitady an’Andriamanitra.
malagasy
Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.