Psalms 14:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra? Mihinana ny oloko toy ny fihinana mofo izy no sady tsy miantso NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy? Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina; tsy miantso an’i Iaveh izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana, sady Izaho tsy antsoiny akory!»
Malagasy Bible 1865
Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra? Mihinana ny oloko toy ny fihinana mofo izy no sady tsy miantso NY TOMPO.
malagasy
Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?