Psalms 14:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Israely! Rehefa ampodin’NY TOMPO avy amin’ny fahababoana ny olony dia hiravoravo i Jakoba ary hifaly Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Endrey! Hivoaka avy any Siôna anie ny famonjena an’i Israely. Rehefa hampodin’i Iaveh ireo nentiko babo amin’ny vahoakany, dia ho faly i Jakôba ary ho ravo i Israely!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hivoaka avy ao Tsiôna anie ny famonjena an’i Israely! Ka hifaly sy hiravo ny taranak’i Jakôba, dia ny vahoaka Israely tsivakivolo, rehefa hambinin’ny TOMPO indray izy.
Malagasy Bible 1865
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona* ny famonjena ny Israely! Rehefa ampodin’NY TOMPO avy amin’ny fahababoana ny olony dia hiravoravo i Jakoba ary hifaly Israely.
malagasy
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.