Psalms 141:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza avela hirona ho amin’ny zava-dratsy ny foko hiray raharaha amin’ny olona mpanao ratsy ka hanao izay asa tsy mety, ary aoka tsy hihinana ny haniny matsiro aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza atongilanao amin’ny ratsy ny foko, na hilozoka amin’ny asa ratsy, miaraka amin’ny olona mpanao ratsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza avela hirona amin’ny zava-dratsy ny foko. Aoka aho tsy hiaraka amin’ny mpanao heloka na hivarilavo amin’ny fanao tsy mety na hihinana ny hanim-pin’ireo koa!
Malagasy Bible 1865
Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza avela hirona ho amin’ny zava-dratsy ny foko hiray raharaha amin’ny olona mpanao ratsy ka hanao izay asa tsy mety, ary aoka tsy hihinana ny haniny matsiro aho.
malagasy
Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.