Psalms 142:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Henoy ny fitarainako fa reraka loatra aho; afaho amin’ny mpanenjika ahy aho fa tsy leoko ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitaraina aminao aho, ry Iaveh, hoy aho: «Ianao no fialofako, anjarako eo amin’ny tanin’ny velona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianao, TOMPO ô, no antsoiko. Hoy aho hoe: «Ianao no aroko sady anjara voatokana ho ahy, eto amin’ity tany ivelomanay ity!»
Malagasy Bible 1865
Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Henoy ny fitarainako fa reraka loatra aho; afaho amin’ny mpanenjika ahy aho fa tsy leoko ireny.
malagasy
Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.