Psalms 144:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mba ho tahaka ny zavamaniry maroroka ny zanakay lahy ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ny lapan’ny mpanjaka ny zanakay vavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanahaka ny zana-kazo mirobona anie ny zanakay lahy ka hitombo mandritra ny fahatanorany. Hanahaka ny andry fehizoro anie ny zanakay vavy, misy sarin-javatra voasikotra, toy ny amin’ny Tempoly!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanakay lahy anie ho toy ny zana-kazo: toy ny hazo tanora maroroka fitsiry! Ny zanakay vavy anie ho toy ny andry fehizoro, izay tsara sokitra toy ny any an-dapa!
Malagasy Bible 1865
Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mba ho tahaka ny zavamaniry maroroka ny zanakay lahy ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ny lapan’ny mpanjaka ny zanakay vavy.
malagasy
Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.