Psalms 149:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; manaova hira fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh: hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haleloià! Mihirà hira vao ho an’ny TOMPO ianareo. Hidera Azy anie ny fiangonan’ny mpivavaka!
Malagasy Bible 1865
Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Haleloia*. Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; manaova hira fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.
malagasy
[Haleloia ho an'i Jehovah, Izay aherezan'ny olony] Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.