Psalms 15:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy manaja ny ratsy fanahy izy fa manome voninahitra ny matahotra NY TOMPO; tsy mivadika amin’ny fianianany izy na dia maningotra ny tenany aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny voaheloka no mendrika halàm-baraka eo imasony; fa ny matahotra an’i Iaveh kosa omeny voninahitra. Raha manao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tsy miraharaha izay lavin’Andriamanitra, fa manaja an’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO, tsy mivadika amin’ny fianianana vita na dia maningotra ny tenany aza izany;
Malagasy Bible 1865
Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy manaja ny ratsy fanahy izy fa manome voninahitra ny matahotra NY TOMPO; tsy mivadika amin’ny fianianany izy na dia maningotra ny tenany aza.
malagasy
Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry sy maniva tena]Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.