Psalms 15:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy manome ny volany hampanjanahina izy, na mandray kolikoly hanameloka ny tsy manan-tsiny. Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mampihana vola manao zana-bola be loatra na mandray kolikoly hamely ny tsy manan-tsiny Tsy hangozohozo mandrakizay izay mitondra tena araka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady tsy mba manisy zana-bola rehefa mampisambotra no tsy mba mandray tsolotra hamelezana ny tsy manan-tsiny. Izay manao izany sy izany dia tsy hihontsona na oviana na oviana.
Malagasy Bible 1865
Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy manome ny volany hampanjanahina izy, na mandray kolikoly hanameloka ny tsy manan-tsiny. Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
malagasy
Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.