Psalms 16:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho be ny fahorian’izay manova an’Andriamanitra hatakalony ny hafa, tsy mba handraraka ny ra aidiny ho fanatitra aho ary tsy mba hotononin’ny molotro ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izay mpirohotra amin’andriamani-kafa dia hampitombo kosa ny fahorian-tsainy; tsy mba hiaraka aminy velively aho hanolotra ny fanati-dra izay ararany, ary tsy hanonona anarana azy akory.
Malagasy Bible 1865
Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho be ny fahorian’izay manova an’Andriamanitra hatakalony ny hafa, tsy mba handraraka ny ra aidiny ho fanatitra aho ary tsy mba hotononin’ny molotro ny anarany.
malagasy
Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.