Psalms 17:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, mihainoa ny rariny, henoy ny fitarainako! Atongilano ny sofinao hihaino ny vavaka ataoko avy amin’ny molotra tsy misy fitaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fivavak’i Davida. Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny, henoy ny fitarainako; atongilano ny sofinao amin’ny fivavahako, izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vavaka nataon’i Davida Mandrenesa, TOMPO ô! Mitaky rariny aho. Enga anie ho tandrinao izato fitarainako! Mba henoy re ny vavaka ataoko fa teny tsisy fitaka izany.
Malagasy Bible 1865
Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, mihainoa ny rariny, henoy ny fitarainako! Atongilano ny sofinao hihaino ny vavaka ataoko avy amin’ny molotra tsy misy fitaka!
malagasy
[Fivavaky ny ory mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony] Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.