Psalms 17:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
vonjeo amin’ny tananao aho, TOMPO ô, mba tsy ho azon’ny olon’izao tontolo izao! Ny anjarany dia amin’izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenanao ny kibony ka vokin’izany ny zanany sady mamela ny fananany be ho an’ny zanany madinika izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny tananao hanafaka amin’ny olombelona, dia amin’ny olon’izao tontolo izao izay mahazo ny anjarany amin’ny fiainana ankehitriny, izay fenoinao harena ny kibony; sy vokisanao anaka, ary mamela ho an’ny zafiny ny ambim-bavany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny sandrinao, TOMPO ô, handroaka azy mba tsy ho eo amin’ny velona intsony fa izany no natao ho anjarany etoana. Ampigohy azy ny mafaitra tahirizinao ho azy; ny zanany koa anie hisotro amin’izany ka hamela ny sisa ho an’ny zafikeliny!
Malagasy Bible 1865
Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
vonjeo amin’ny tananao aho, TOMPO ô, mba tsy ho azon’ny olon’izao tontolo izao! Ny anjarany dia amin’izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenanao ny kibony ka vokin’izany ny zanany sady mamela ny fananany be ho an’ny zanany madinika izy.
malagasy
Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.