Psalms 18:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany ary nihorohoro ny fanambanin’ny tendrombohitra; eny, nihozongozona ireo satria tezitra NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho, ary nitaraina tamin’ny Andriamanitro aho; ka reny tany an-tempoliny ny feoko; tonga tao an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao an-katerena aho no velon-taraina sy niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamanitro, ka tany an- Tempoliny Izy no nandre ny feoko ary koa nihaino izany antsoantsoko.
Malagasy Bible 1865
Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany ary nihorohoro ny fanambanin’ny tendrombohitra; eny, nihozongozona ireo satria tezitra NY TOMPO.
malagasy
Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.