Psalms 18:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony ary afo mandevona avy teo am-bavany ka nisy vainafo nidedadeda avy aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihozongozona sy nihorohoro ny tany; nihararetra ny fanambanin’ny tendrombohitra; ka ireo no nihozongozona dia Izy io no tezitra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia nihovitrovitra mafy ny tany; nikorosy ny fanambanin’ny tendrombohitra, ka nihozongozona ireny fa tezitra ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony ary afo mandevona avy teo am-bavany ka nisy vainafo nidedadeda avy aminy.
malagasy
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.