Psalms 19:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitrano fatoriany, mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ny alehany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa mitety ny tany rehetra ny fanenon’ny feony, ka tonga hatramin’ny faran’ny tany ny fikarantsan’ny feony. Dia any Izy no nanangan-day ho an’ny masoandro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nefa ny rindrany miharihary eran-tany, ny hafany tonga any am-paran’izao tontolo izao. Nanorenan’Andriamanitra tranolay teny ana habakabaka ny masoandro.
Malagasy Bible 1865
Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitrano fatoriany, mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ny alehany izy.
malagasy
Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.