Psalms 20:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny dia fantatro fa NY TOMPO dia mamonjy ny Voahosony; hamaly azy avy amin’ny lanitry ny fahamasinany Izy, amin’ny herin’ny famonjen’ny tanany ankavanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin’ny hobin-kafaliana; hanangam-paneva amin’ny Anaran’ny Andriamanitsika; hotanterahin’i Iaveh anie izay irinao rehetra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hanaovanay fihobiana ny fandresena ho azonao; ary hahofahofanay ny faneva ho voninahitry ny Andriamanitsika. Eny, hotanterahin’ny TOMPO anie izay rehetra angatahinao aminy!
Malagasy Bible 1865
Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny dia fantatro fa NY TOMPO dia mamonjy ny Voahosony*; hamaly azy avy amin’ny lanitry ny fahamasinany Izy, amin’ny herin’ny famonjen’ny tanany ankavanana.
malagasy
Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.