Psalms 21:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Haringanao tsy ho eo amin’ny tany ny zanany ary tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny taranany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hataonao toy ny fatana mirehitra izy, amin’ny andro fampisehoanao ny Tavanao. Haringan’i Iaveh amin’ny fahatezerany izy ireo, ary handevona azy ny afo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao hiseho fotsiny Ianao, dia ho toy ny afo mijoalajoala handevona azy. –Eny, hofongoran’ny TOMPO amin’ny hatezerany anie ireny tahaka ny andevonan’ny afo ireo zavatra dorana!–
Malagasy Bible 1865
Ny zanany haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Haringanao tsy ho eo amin’ny tany ny zanany ary tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny taranany.
malagasy
Ny zanany haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;[Heb: vokany]