Psalms 22:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahatsiaro NY TOMPO ny any amin’ny faran’ny tany rehetra ka hiverina Aminy; hiankohoka eo anatrehany ny fokon’ny firenen-tsamihafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an’i Iaveh izay mitady Azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hasaiko amin’ny sakafon-tsorona ny ory: hihinana anie izy ka ho voky! Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy ka ho finaritra ho ela velona!
Malagasy Bible 1865
Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahatsiaro NY TOMPO ny any amin’ny faran’ny tany rehetra ka hiverina Aminy; hiankohoka eo anatrehany ny fokon’ny firenen-tsamihafa.
malagasy
Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.