Psalms 26:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsarao aho, TOMPO ô, fa mandeha araka ny hitsim-poko; NY TOMPO no itokiako ka tsy mivembena aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataon’i Davida. Tsarao aho, ry Iaveh, fa nandeha tamin’ny tsy fananan-tsiny aho, I Iaveh no itokiako ka tsy hangozohozo aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataon’i Davida. TOMPO ô, ambarao ho tsy manan-tsiny aho fa madio fiaina sy matoky tanteraka ANAO.
Malagasy Bible 1865
Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsarao aho, TOMPO ô, fa mandeha araka ny hitsim-poko; NY TOMPO no itokiako ka tsy mivembena aho.
malagasy
[Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.