Psalms 27:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Zavatra tokana no angatahiko sady irîko fatratra homen’ny TOMPO: dia ny hitoetra ao an-tranony mandritra ny androm-piainako rehetra, mba hianoka amin’ny hatsarampony sy hiandry ny torolalany ao an- tempoliny.
Malagasy Bible 1865
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
malagasy