Psalms 28:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao no antsoiko, TOMPO ô! Ry Vatolampiko ô! Aza manentsin-tadìny amiko, fandrao raha mangina amiko Ianao dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataon’i Davida. Ianao no antsoiko, ry Iaveh ô, aza manentsin-tadìny amiko, ry vatolampiko, fandrao raha mangina Ianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataon’i Davida. TOMPO ô, miantso vonjy aminao aho. Ianao no Vatolampy fialofako ka aza manentsin-tadîny amiko; satria raha anginanao tsy valiana aho, dia ho tahaka an’ireo olona afaka aina izay efa midina mankany am-pasana.
Malagasy Bible 1865
Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao no antsoiko, TOMPO ô! Ry Vatolampiko ô! Aza manentsin-tadìny amiko, fandrao raha mangina amiko Ianao dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
malagasy
[Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.