Psalms 31:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka tsy hitsanga-menatra aho, TOMPO ô, satria miantso Anao! Fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ny fitoeran’ny maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao; vonjeo amin’ny fahasoavanao aho!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jereo amin-kamorampo izaho mpanomponao, ka vonjeo satria be fitiavana Ianao.
Malagasy Bible 1865
Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka tsy hitsanga-menatra aho, TOMPO ô, satria miantso Anao! Fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ny fitoeran’ny maty*.
malagasy
Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb: Sheola]