Psalms 31:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hanafaka ahy! Aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Ianao mba hamonjena ahy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iaveh ô, Ianao no nataoko fialofako; aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana! vonjeo amin’ny fahamarinanao aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, Ianao no fialofako; tsy ho diso fanantenana na oviana na oviana aho. Araka ny fahamarinanao dia afaho amin’ny loza aho!
Malagasy Bible 1865
Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hanafaka ahy! Aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Ianao mba hamonjena ahy!
malagasy
Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.