Psalms 32:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fahotako dia nambarako Taminao ary ny heloko tsy mba nafeniko; hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin’NY TOMPO aho; ary Ianao dia namela ny heloko, ny fahotako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko. Hoy aho: «Hiaiky ny fahadisoako amin’i Iaveh aho.» Dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako - Selà
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa dia naborako taminao ny otako ary tsy nafeniko Anao ny hadisoako. Hoy aho hoe: «Meloka aho, TOMPO ô, ka tsy maintsy hiaiky izany aminao.» Tamin’izay dia nafahanao ny otako. Fiatoana
Malagasy Bible 1865
Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fahotako dia nambarako Taminao ary ny heloko tsy mba nafeniko; hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin’NY TOMPO aho; ary Ianao dia namela ny heloko, ny fahotako.
malagasy
Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.