Psalms 32:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no aoka hivavahan’ny matahotra an’Andriamanitra rehetra Aminao amin’izay fotoana hahitana Anao! Eny tokoa, na dia tondraka aza ny ranobe dia tsy hahatratra azy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin’ny fotoana mety. Marina, fa amin’ny fahatondrahan’ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpivavaka marina rehetra dia tokony hitalaho aminao toy izany amin’ny fotoana ilàny vonjy aminao; ka na toa ranobe hitelina aza ny loza, dia tsy hahatratra azy akory izany.
Malagasy Bible 1865
Izany no aoka hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no aoka hivavahan’ny matahotra an’Andriamanitra rehetra Aminao amin’izay fotoana hahitana Anao! Eny tokoa, na dia tondraka aza ny ranobe dia tsy hahatratra azy izany.
malagasy
Izany no aoka hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.