Psalms 33:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihobia ho an’NY TOMPO ianareo, ry olona marina! Fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifalia ao amin’i Iaveh ianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manaova horakora-pihobiana, ry olo-marina, noho ny amin’izay nataon’ny TOMPO; fa tombontsoa ho anareo ny midera Azy, ry olo-mahitsy.
Malagasy Bible 1865
Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihobia ho an’NY TOMPO ianareo, ry olona marina! Fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana.
malagasy
[Fiderana an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.