Psalms 34:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisaotra NY TOMPO lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataon’i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha.
Malagasy Bible 1865
Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisaotra NY TOMPO lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
malagasy
[Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.