Psalms 35:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia akanjo fisaonana no nanaovako; nampahory ny tenako tamin’ny fifadian-kanina aho ary niverimberina ny vavaka nataoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho anefa, fony izy ireo marary, nitafy lamba fivalozana, nampijaly ny aiko tamin’ny fifadian-kanina, ary ny fivavahako niverina tao ampofoako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha narary izy ireo, dia nalahelo aho ka nitafy lamba fisaonana ho marik’izany; nampijaly tena tamin’ny fifadian-kanina aho ary koa niondrika hivavaka ho azy,
Malagasy Bible 1865
Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia akanjo fisaonana no nanaovako; nampahory ny tenako tamin’ny fifadian-kanina aho ary niverimberina ny vavaka nataoko.
malagasy
Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.