Psalms 35:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka hitsanga-menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ny manjo ahy! Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka hiara-menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly noho ny loza manjò ahy. Aoka ho safo-kenatra sy afa-baraka, izay mitsangan-kamely ahy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho menatra sy hangaihay avokoa anie izay olona mifaly amin’ny fahavoazako; ho safo-kenatra sy ho afa-baràka anie ireo manandra-tena mirehareha amiko!
Malagasy Bible 1865
Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka hitsanga-menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ny manjo ahy! Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko!
malagasy
Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.