Psalms 35:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; aoka izy hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa aoka hifaly sy hiravoravo kosa, ireo maniry ny hahazoako ny rariny! Aoka ireo hanao mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an’i Iaveh Izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izay tia ny hahazoako rariny dia aoka hanao horakora-pifaliana sy ho falifaly hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa ny TOMPO, fa ny hiadanan’ny mpanompony no zavatra tiany!»
Malagasy Bible 1865
Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; aoka izy hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony!
malagasy
Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony.Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.