Psalms 36:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misy fitenin’ny ratsy fanahy tonga ato an-tsaiko; araka ny heviny dia tsy misy tokony hatahorana an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida mpanompon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Nataon’i Davida mpanompon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misy fitenin’ny ratsy fanahy tonga ato an-tsaiko; araka ny heviny dia tsy misy tokony hatahorana an’Andriamanitra.
malagasy
[Ny maharatsy ny miala amin'Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy filazana ny ao am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:]