Psalms 37:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao ary aza mialona ny mpanao heloka,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataon’i Davida. Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy, na mitsiriritra ny toetr’izay mpanao heloka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataon’i Davida. Aza tezitra amin’ny mpanao ratsy ary aza mialona ireo mpanao heloka;
Malagasy Bible 1865
Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao ary aza mialona ny mpanao heloka,
malagasy
[Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;