Psalms 37:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria mialoka Aminy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manampy sy manafaka azy ny TOMPO, manafaka azy amin’ny olon-dratsy ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria mialoka Aminy ireo.
malagasy
Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.