Psalms 39:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Henoy ny vavaka ataoko, TOMPO ô! Atongilano amin’ny fitarainako ny sofinao ary aza mangina amin’ny ranomasoko! Fa vahiny Aminao aho sady mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao, dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao. Eny, tso-drivotra foana ny olombelona. - Selà
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha manitsy ny olona Ianao ka manafay azy noho ny helony, dia manimba izay maminy indrindra toy ny zavatra lanin’ny kalalao. Eny tokoa fa ny olona rehetra dia toa tsio-drivotra mandalo. Fiatoana
Malagasy Bible 1865
Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Henoy ny vavaka ataoko, TOMPO ô! Atongilano amin’ny fitarainako ny sofinao ary aza mangina amin’ny ranomasoko! Fa vahiny Aminao aho sady mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
malagasy
Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.