Psalms 39:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny aloka miserana tokoa ny fandehan’ny andron’ny olona; zava-poana tokoa no itabatabany! Mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataonao vody voampelatanana monja ny androko; ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny fiainako. Eny, tso-drivotra foana avokoa, ny olombelona velona. - Selà
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro fohy dia fohy tokoa ny androm-piainako; ka ny fisiako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Eny, ny olona rehetra matanjaka aza dia toa tsio-drivotra mandalo; Fiatoana
Malagasy Bible 1865
Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy ny aloka miserana tokoa ny fandehan’ny andron’ny olona; zava-poana tokoa no itabatabany! Mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.
malagasy
Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.